Hebrews 12

1Noho izany, satria isika voadidina vavolombelona maro be toy ny rahona, dia andeha isika hamela ny vesatra rehetra sy ny fahotana mora manodidina antsika. Andeha isika hihazakazaka am-paharetana ny fihazakazahana izay napetraka teo alohantsika. 2Andeha isika hitandrina amin’i Jesosy, ny mpampiatomboka sy mpanantanteraka ny finoana. Fa nohon’ny hafaliana izay napetraka teo anoloany, dia niaritra ny hazofijaliana Izy, tsy niraharaha ny henatr’izany, ary nipetraka teo an-tanan‘an-kavanan’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra. 3Noho izany eritrereto ny momba Azy, ilay iray izay niaritra fanoherana toy izany avy tamin’ireo mpanota hanohitra ny tenany, mba tsy ho reraka ao am-ponareo ianareo ka hilavo lefona.

4Tsy mbola nanohitra ianareo na nikezaka hanohitra ny fahotana hatramin’ny fahalatsahan-drà, 5ary adinonareo ny fampaherezana izay nampianarina anareo toy ny amin’ireo zanaka hoe: “Ry zanako lahy, aza manamaivana ny fitsipiky ny Tompo, na mihareraka raha ahitsiny ianareo.” 6Fa ny Tompo manafay ny rehetra izay tiany, ary Izy manasazy ny zanaka tsirairay izay raisiny.

7Miareta fijaliana toy ny fitsipika. Andriamanitra dia mitondra anareo toy ny zanaka. Fa zanaka inona no teo ka tsy nofaizin’ny rainy? 8Fa raha tsy manana fitsipika ianareo, izay ananan’ny olona rehetra, dia zazasary ianareo fa tsy zanany.

9Ary koa, nanana ny ray ara-nofo toy ny mpanafay isika, ary nanaja azy ireo isika. Tsy tokony hankatoa kokoa ny Rain’ny fanahy ve isika ary ho velona? 10Fa etsy andaniny, ireo raintsika nanafay antsika nandritry ny andro vitsy araka izay marina tamin’izy ireo. 11Nefa etsy ankilany, Andriamanitra nanao izany ho an’izay tsara ho antsika mba hafahantsika manana anjara amin’ny fahamasinany. Tsy misy famaizana mitranga ho mahafinaritra, fa manaintaina aza. Kanefa izany aoriana kely dia mamokatra ny vokatra feno fiadanan’ny fahamarinana ho an’ireo izay nozarina tamin’izany.

12Noho izany hatanjaho ireo tananareo izay miraviravy sy ireo lohalikareo malemy. 13Manaova lalana mahitsy ho an’ny tongotrareo, mba izay malemy dia tsy hipitsoka fa ho sitrana aza.

14Manenjeha fiadanana miaraka amin’ny olona rehetra, ary ny fahamasinana ihany koa izay tsy hahitan’iza na iza ny Tompo raha tsy miaraka amin’izany. 15Mitandrema mba tsy hisy na iza na iza tsy hanana ny fahasoavan’Andriamanitra, ary tsy hisy fakan’ny fahangidiana mitombo hiteraka korontana, mba tsy ho maro no lasa voaloto amin’izany. 16Mitandrema mba tsy hisy fijangajangana na olona tsy an’Andriamanitra toa an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany ho an’ny sakafo iray. 17Fa ianareo mahafantatra fa rehefa afaka izany, rehefa naniry ny handova ny fitahiana izy, dia nolavina, satria tsy nahita irika amin’ny fibebahana izy, na dia nikatsaka izany tamin-dranomaso aza.

18Fa ianareo tsy tonga teo amin’ny tendrombohitra izay tsy azo kasihina, tendrombohitry ny afo mandoro, haizina, fahamaizinana, ary tafiotra. 19Ianareo dia tsy tonga teo amin’ny trompetra maneno mafy, na teo amin’ny feo izay miteny ireo teny izay ny mpihaino izany dia nangataka mba tsy hisy teny hafa ho lazaina amin’izy ireo. 20Fa izy ireo tsy afaka niaritra izay nodidiana hoe: “Fa na dia ny biby mikasika ny tendrombohitra aza, dia tsy maintsy ho toraham-bato izany.” [ Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taloha dia mivaky toy izao: “”Fa na dia biby iray izay mikasika ny tendrombohitra aza, dia tsy maintsy ho toraham-bato izany na ho vonoina amin’ny zana-tsipika.“”] 21Fa mampitahotra loatra ilay fahitana izay nolazain’i Mosesy hoe: “Mihorohoro aho ary mangovitra”

22Fa ianareo kosa, dia tonga teo amin’ny tendrombohitra Ziona ary teo amin’ny tanànan’Andriamanitra velona, ny Jerosalema any an-danitra, ary teo amin’ireo anjely an‘alin’alina tamin’ny fankalazana. 23Ianareo dia tonga teo amin’ny antokon‘olon’ny voalohan-teraka, izay voasoratra anarana any an-danitra. Ianareo dia tonga teo amin’Andriamanitra, ilay Mpitsara ny rehetra, ary teo amin’ireo fanahin’ireo olon’ny fahamarinana izay natao tonga lafatra. 24Ianareo dia tonga teo amin’i Jesosy, ilay mpanalalana ny fanekena vaovao, ary teo amin’ny rà latsaka izay tsara kokoa noho ny ràn’i Abela.

25Aoka ianareo tsy handà ilay iray izay miteny. Fa raha tsy nandositra izy ireo tamin’izy ireo nandà ny iray izay nampitandrina azy ireo teto an-tany, dia kely kokoa no handosirantsika raha mihodina amin’ilay iray izay mampitandrina antsika avy any an-danitra isika. 26Tamin’ny fotoana iray, ny feony nanozongozona ny tany. Fa ankehitriny Izy nampanantena sy niteny hoe: “Mbola hanozongozona indray mandeha tsy ny tany ihany aho, fa ny lanitra ihany koa.”

27Ireo teny ireo, “Indray mandeha koa”, dia midika ny famindrana ireo zavatra izay afaka hozongozonina, izany dia, ireo zavatra izay nohariana, mba hitoetra ireo zavatra izay tsy azo hozongozonina. 28Noho izany, satria mandray fanjakana izay tsy azo hozongozonina, dia aoka ho mpankasitraka isika ary amin’izany fomba izany dia hidera an’Andriamanitra am-panajana fatratra sy amin-tahotra. Fa ny Andriamanintsika dia afo mandevona.

29

Copyright information for PltULB